< Luka 6 >

1 Na iwa di lirin Nassabath na Yesu wadin cin nanya kunen ni leu acurmye wadin nkulu nati ni leu, ipara na cara mene ituna nlee.
Ary tamin’ ny Sabata anankiray dia nandeha namaky ny tanimbary Jesosy, ary ny mpianany nanoty ny salohim-bary, ka rehefa nokosokosohiny tamin’ ny tànany, dia nohaniny.
2 Amon nanya na Farisiyawa woro, “Inyari ita idin nsu nilemong le na i caun isu liri na Sabbth ba?”
Fa ny Fariseo sasany nanao hoe: Nahoana ianareo no manao izay tsy mety hatao amin’ ny Sabata?
3 Yesu kauwa nani a woro, “Na anung na karanta imung ile na Dauda wasu kube na wa lazan kukpong, ligowe nan nanit na iwa di nanghe?
Ary Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’ i Davida, raha noana izy mbamin’ izay nanaraka azy,
4 Awa piru kilari Kutelle, ayira uburodi ule na iwa ceu a leu umon nanya ukuru ama alenge na imadi ligo we nan ghe un na priestari cas ile.”
fa niditra tao an-tranon’ Andriamanitra izy ka nandray ny mofo aseho ary nihinana sady nanome he an’ izay nanaraka azy koa, nefa mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany?
5 Anin woro nani, “Gono nit Ucifari un na Sabath.”
Ary hoy Izy taminy: Tompon’ ny Sabata ny Zanak’ olona.
6 Uda among Asabar na awa piru nanya kutii nlira adin dursuzu anite kikane umong unit wa diku nin ku girin cara.
Ary nony tamin’ ny Sabata hafa koa niditra tao amin’ ny synagoga Jesosy ka nampianatra; ary nisy lehilahy anankiray maty tanana tao.
7 Anan niyert nang na Farisiyawa wadin yenju susut sa a ba shinu nin mung unan konu lirin na Sabath, inan se imong ile na inna Vuruzughe mung.
Ary ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo nizaha taratra Azy, na hahasitrana amin’ ny Sabata Izy, na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy.
8 Bara nani ayino ile imung na idin kpilizue nibinai myene a woron nle na ucara di kuger, “Fita, uyisin kitill nanite.” Unite fita a yisina kitene.
Fa Jesosy nahalala ny hevitr’ ireo, ka dia niteny tamin-dralehilahy maty tanana hoe: Mitsangàna, ka mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana izy ka nijoro.
9 Yesu woro nani, natirin minu, ucaun isu imong icine liri na Sabatha sa isu inanzang i tucu ulai ya sa inanza unin?”
Ary hoy Jesosy tamin’ ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny manao soa va no mety hatao amin’ ny Sabata, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahavery aina?
10 A yenje nani vat anin woro anite, “Nakpa ucara fe.” Ata nani ucara mye kpilaku.
Ary nijery azy rehetra manodidina Izy, dia nanao tamin-dralehilahy hoe: Ahinjiro ny tananao. Dia nataony izany, ka sitrana ny tànany.
11 Bara nani ayi mine nana ilira nanya natimine, kitene nile imon na ibasu Yesu ku.
Dia safotry ny hatezerana izy ireo ka nioko ny amin’ izay hanaovany an’ i Jesosy.
12 Uso nani, nanya nayiri ane a ghana kitene liikup asu nliran, a leo ubun nin kiitike vat nlira kiti Kutelle.
Ary tamin’ izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin’ Andriamanitra nandritra ny alina Izy.
13 Kubi na kiti nshanta, ayicila nono katuwa mye, a fere annit likure alenge tutung na iwa ni nani lissa “anan kadura.”
Ary nony maraina ny andro, dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin’ ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly,
14 Tisa nanan kadura mye inughe Simon (ulenge na iwa nighe lisa Bitrus) nin gwana mye Andrawus, Yakubu, Yohanna, Filibus, Bartamalawus,
dia Simona, izay nataony hoe koa Petera, sy Andrea rahalahiny, sy Jakoba sy Jaona sy Filipo sy Bartelemeo
15 Matta, Tomas, Yakubu usaun Alfa, Simon, ulenge na idin yicughe Zaloti,
sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak’ i Alfeo, sy Simona, izay atao hoe Zelota,
16 Yahuda usaun Yakubu, nin Yahuda Iskariyoti ulenge na aba lewughe.
sy Jodasy, zanak’ i Jakoba, ary Jodasy Iskariota, izay tonga namadika.
17 Kube Yesu tolo kitene likupe nan ghinu ida yisina kiti kitendelen, ligozi na nan katuwa mye gbardang wa duku, nin ligozi nani gbardang na inuzu Nyahudiya nin Urushelima, nin nbui kurawa Sidoniya a Utaya.
Ary Jesosy niara-nidina tamin’ ireo, dia nijanona teo an-kamarenana Izy sy ny mpianany maro mbamin’ ny vahoaka betsaka avy tany Jodia rehetra sy Jerosalema, ary avy tany amoron-dranomasina any Tyro sy Sidona, izay tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin’ ny aretiny;
18 Iwa daka ida lanza ghe, ukuru ise ushinu nin tikonu mine, anit alenge na iwadi nniu nin nruhu unanzang iwa shinn.
ary izay nampahorin’ ny fanahy maloto dia nositranina.
19 Ko gha nanya ligoze wa dinin su a dudo ghe bara likara nshishinu vat.
Ary ny vahoaka rehetra nitady hanendry Azy, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.
20 Ame yene anan katuwa mye a woro, “Anung anan nmariari ulenge na idi akimon, bara anughere anan kipin tigo Kutelle.
Ary Jesosy dia nanopy ny masony tamin’ ny mpianany ka nanao hoe: Sambatra ianareo malahelo, fa anareo ny fanjakan’ Andriamanitra.
21 Anan nmariari unughe na idi lanzu kukpon nene, bara anug ba shittu, anan nmariari anughe na idi kuculu, bara iba su tisina.
Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa hovokisana ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy ianareo.
22 Anan nmariari anughe asa anit nnari munu, kubi na ikoso ligo nan ghinu, isu munu nshina, inani nanza munu lisa nworo anug umuguari, bara upiziru lisa ngono nnit.
Sambatra ianareo, raha halan’ ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ ny Zanak’ olona.
23 Suun liburi libo liyiri lole, inyizin bara ulanzu nmang, bara fe base uduk udia nanya kitene kani bara acif mine nanere iwa su anan kadura Kutelle.
Mifalia ianareo amin’ izany andro izany, ka mibitaha; fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa izany no nataon’ ny razany tamin’ ny mpaminany.
24 Kash anung anang nimon nacara, barra imal seru uduk mine.
Fa lozanareo izay manan-karena kosa! fa efa azonareo izay mahafa-po anareo.
25 Kash anung alenge na ishitin nene, bara kukpon ba da munu nin ndu nbun, kash anung na idi tisina. nene, iba su tiyom nin kuculu nin ndu nbun.
Lozanareo izay voky ankehitriny! fa mbola ho noana ianareo. Lozanareo izay mihomehy ankehitriny fa mbola be ory sy hitomany ianareo.
26 Kash anung alenge na anit di nliru gegeme kitene mine, bara acif wa su anan nliru kinu nin nnu Kutelle nanere.
Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra! fa izany no nataon’ ny razany tamin’ ny mpaminany sandoka.
27 Bara nani meng di belle munu na idin lanzu, taan usu na nan nivira nanghinu, isu imon icine kiti nalenge na inari munu.
Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin’ izay mankahala anareo;
28 Taan aleenge na itamunu unnu nmari, suun alenge na idin tumunu ineo nliran.
misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an’ izay manisy ratsy anareo.
29 Ame ulenge na areoufi kuwwau kpiliya ghe kunbe, asa umon bollo ugudum fe munu ghe kulutuk fe ku tutun.
Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha misy maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza.
30 Na vat nlenge na atirin fi, asa umon nbollo imomon na idi infe, na uwa tiringhe anifi ba.
Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy.
31 Ile imon na fe idinin su anit sufi fe wang su nani.
Ary araka izay tianareo hataon’ ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.
32 Asa fe din su usu nalenge na idinin su fere cas, iyaghari uduk fe? Vat inung anan kulapi dinin nsu nalenge na idinin su mine.
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy.
33 Asa udin suu imon icine kiti nale na idin su fi imon icine, iyaghari uduk fe? Nanere wang anan kulapi din su we.
Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany.
34 Asa udin yenju iba biufi, iyaghari uduk fe? Inung anan kulapi din nizu ure kiti nalenge na idin yenju iba kpillu ini nani tutun.
Ary raha mampisambotra izay antenainareo fa mbola hanonitra ianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra ny mpanota, handraisany toraka izany indray.
35 Taa usu nnan nivira nin fi, usu ghe gegeme. Niza nani ure na iwa ceo kibinai nworu uba seru ba, uuduk fe ba yitu gbardang, uba so gono nnan kitene kani. Bara ame liti mye din su gegeme kiti nale na idinsu ugodiya ba.
Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin’ inona na amin’ inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin’ izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.
36 Lanza nkune kune, nafo Ucif fe na adin lanzu nkunekune.
Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.
37 Na uwa ti umon aso unan kulapi ba, bara fe wang iwa su fi nani. Na uwa mollu umon ba. Fewang na iba mollu fi ba, shawa nin kulapi namong, fewang iba shawu nin kunfe.
Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo;
38 Niza anit fewang iba niiti, uni udia na iba zinlinu ukuru ituku bara kuyanga kongo na uguro uman mun, kunere iba guni fe ku mun.”
omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.
39 Akuru a belle nani tinan tigoldo. “Unan uduu waansa adursu umon unit uduu libauwa? Asa asu nani vat mine ba diu nanya kuwu, su nani ba?
Ary Jesosy nanao fanoharana taminy koa hoe: Ny jamba va mahatari-dalana ny jamba? Tsy hianjera any an-kady va izy roa?
40 Unan nmasu nyinnu nimon wasa akata unan dursuzu mye ba, bara kogha kubi ko na amala umase, aba so nafo unan dursuzu mye.
Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra; fa izay rehetra tanteraka dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.
41 Ani iyaghari nta udin yenju limoo nanya niyizin gwana fine, na idin yenju kukunti na ku di niyizifi ba?
Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo izay eo amin’ ny mason’ ny rahalahinao, nefa ny andry izay eo amin’ ny masonao dia tsy mba tsaroanao akory?
42 Iyizirari uba bellu gwana fine, 'Gwana nan nkala limoo longo na lidi nanya niyizi,' fe litife na uyene kukunti na ku di nanya niyizife? Fe unan rusuzu liti! Burno ukala kukunti nanya niyisife, nin nani unin yene gegeme limoo longo na lidi niyizin gwana fine.
Ary ahoana no ilazanao amin’ ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin’ ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin’ ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ ny masonao, ary amin’ izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ ny maso’ ny rahalahinao.
43 Bara na kon kutca kucine wansa anaa kumat kunanzang ba, sa kutca kunanzan nii kumat kucine ba.
Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara.
44 Bara ko kuyemu kutca idin kunin bara kumat mere. Bara na anit wasa ikala kupu kidowo fimart ba, nanere iwasa ikala inabi nanya fimart kusho.
Fa samy fantatra amin’ ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy manoty aviavy amin’ ny tsilo, na voaloboka amin’ ny voaroy.
45 Unit ucine nanya nile imon na adin cisu kibinai mye, asa abelle imon ile na idi icine, unan magunta nutuno imon inanzang ile na idi kibinai mye nin nnu mye.
Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ ny rakitra tsaran’ ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin’ ny haben’ ny ao am-pony no itenenan’ ny vavany.
46 Iyaghari nta idin yicie, 'Cikilari, Cikilari,' nin nani na idin dortu imon ile na nbellen munu ba?
Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?
47 Vat ulenge na ada kiti nighe, a lanza tigbulang adofino tinin a di nafo.
Izay rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ka mankatò azy, dia hasehoko aminareo izay tahaka azy:
48 Adi nafo unit ule na akee kilari amini nwuzu kiteen anin tuno kutyi ata atata ku. Kubi na uwuru nda kang nmyen nda kilari kane wasa kizillino ba, bara kidinin litino licine.
Tahaka ny olona nanao trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin’ ny vatolampy; ary nony tondraka ny rano, dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy, satria tsara fanorenana izy.
49 Bara nani, ulenge na a lanza tigbulang ninghe na adofino tinin ba, aba so nafo unite ulenge na kidiin sa litino licine, aswu uwuru ntolo, nmyen ndofino kilari kane, deddei ki diu, na udiu wa ba caunuu ba.”
Fa izay mandre, fa tsy mankatò, dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin’ ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia namely azy mafy ny riaka, ka dia nirodana niaraka tamin’ izay izy; ary loza ny naharavan’ izany trano izany.

< Luka 6 >